I Aisha sy Ibn A'bbàs (R.A) manambara atsika fa rehefa nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ny fahafatesana, dia nasiany tapa-damba ny tavany, ary raha toa ka sarotra taminy ny nifoka ny rivotra, noho ny fahakakaizan'ny fahafatesana, dia nesoriny tsy ho eo amin’ny tavany intsony izany, ary tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany izy no niteny hoe : Allah anie hanozona ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanala azy ireo amin’ny famindram-pony. Izany dia noho izy ireo nanorina moske teo ambonin’ny fasan’ireo mpaminaniny, ary raha tsy ny maha zava-doza an'izany zavatra izany, dia tsy ho tamin'ny fotoan-tsarotra tahaka izany no niresahany ny momba azy, noho izany dia nandrara ny vahoakany tsy hanao tahaka izany ny Mpaminany (S.A.W). Satria asa fanaon’ny Jiosy sy ny Kristianina izany, ary zava-dratsy mitarika ho amin’ny fampiombonana Allah amin'ny hafa.