Nilaza sy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa holazaina amin'ny Mpamaky ny Boky masina Koroany, sy ny Mpampihatra izay rehetra voalaza ao anatiny, ny tsy hitsaharany eo amin'ny famakina ny Boky masina Koroany sy fanaovana tsianjery Azy rehefa miditra ny Paradisa : Vakio ny Boky masina Koroany, ary miakara amin'ny ambaratonga ao amin'ny Paradisa Ianao, ary Vakio miadana tsara am-pitoniana, fa ny toerana hametrahana Anao dia eo amin'ny toerana farany izay Vakinao ao amin'ny Boky masina Koroany.