Nohazavain'ny Mpaminany (S.W.A) fa amin'ny Andro farany dia aseho amin'ny endrika ondry lahy, misy loko fotsy sy mainty ny fahafatesana. Hiantso Izy ka hanao hoe : Ry Olon’ny Paradisa! Manatsotra ny hatony sy ary manandratra ny lohany ka mijery. Ka ho tenenina amin'izy ireo ny hoe : fantatrareo ve ity ? Hamaly izy ireo : Eny, ity dia fahafatesana ary ny rehetra dia efa nahita izany ary efa nahafatatra ihany koa, Avy eo hiantso ny mpiantso ka hanao hoe : O Ry vahakoan'ny Afobe, ka hajorin'izy ireo ny tendany sy ny hatokin'izy ireo ary hampiakarin'izy ireo ny lohany ary mijery, Ka ho tenenina amin'izy ireo ny hoe : fantatrareo ve ity ? Hamaly izy ireo ka hiteny hoe : Eny, ity dia fahafatesana ary ny rehetra dia efa nahita izany sy efa nahafatatra an'izany, Ka ho vonoina, avy eo dia hiteny ilay mpiantso ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay ka tsy hisy fahafatesana intsony ny Amianareo, O Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy hisy fahafatesana intsony hianjady Aminareo, Izany dia mba hampitombo ny fahasambaran’ny Mpino sy hanamafy ny fijalian’ireo izay tsy mino. Avy eo dia Namaiky i Mpaminany (S.W.A) andin'ny Soratra masina hoe : {Ary ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoko rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia mbola varina ihany ary anefa izy ireo dia tsy mino} Amin’ny Andro farany dia hisaraka ny mponin’ny Paradisa sy ny Helo, ary samy hiditra amin’izay toerana mendrika azy avokoa ny rehetra ary hitoetra mandrakizay amin'ny toerana iza halehany ao Aminy ny tsirairay. Ny Mpanao ratsy dia maty antoka sy manenina raha mbola tsy manao ny asa soa, ary ny mpanao tsirambina raha tsy nanao soa maro mihoatra noho izany ihany koa.