Nandidy i Mpaminany (S,W,A) amin'ny ffikirana amin'ny Boky masina Koroany sy ny famakina azy matetika mba tsy hanadinoana azy taorian'ny nahaizany azy tsy anjery azy tao am-pony, ary nanamafy i Mpaminany (S.W.A) tamin'ny fianianiana nataony fa ny Boky masina Koroany dia malaky mandeha sy mora miala ao am-po mihoatra ny rameva izay mifatotra, izay afatotra amin'ny tady eo afovoan'ny sandriny, raha tazonin'ny olona izany dia voatazony, ary raha avelany dia lasa ka very.