Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpino silamo miditra amin’ny fotoam-bavaka dimy ka manatanteraka tsara ny ozò sy mamita izany, avy eo dia manolo-tena amin’ny fivavahany ka ny fony sy ny rantsam-batany rehetra dia mitodika amin’Allah, manome voninahitra ny fahalehibiazany, ary mamita ny fihetsika rehetra ato amin'ny Soalat toy ny fihondrehana, fiankohofana, sy ny sisa, afa-tsy hoe io Soalat io no manafoana ny fahotana madinika vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany valisoa izany dia mitoetra amin’ny fotoana sy amin’ny Soalat rehetra.