Milaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina Azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.W.A) mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.