Niaraka tamin'ireo mpanara-diany maromaro ny Mpaminany (S.A.W), ka nangataka azy ireo intelo izy mba hanao velirano aminy sy hampanantena azy fa hanolo-tena amin'ny raharaha sasany: Ny voalohany : Ny fanompoana I irery ihany amin’ny alàlan’ny fankatoavana ny didiny sy ny fialana amin’izay norarany, ary ny tsy hanambatra Azy amin'ny hafa. Ny faharoa : Fananganana ny vavaka dimy tsy maintsy atao isan’andro sy alina. Ny fahatelo : Ny fihainoana sy ny fankatoavana amin’ny tsara ho amin'izay miandraikitra ny raharahan'ny mpino silamo. Fahefatra : fanakinana ny filana rehetran'izy ireo any amin'I Allah, ary tsy mangataka na inona na inona amin’ny olona, ary nampidina ny feony ny Mpaminany (S.A.W) tamin’izany. Tena nanatanteraka ny veloranony ny mpanara-dia, ary nilaza mihitsy ilay mpitantara ny hadith hoe : Hitako ny sasany tamin'ireo mpanara-dia nilatsaka ny karavasin'ny iray tamin'izy ireo, ary tsy nangataka na iza na iza hanome izany ho azy izy, fa aleony midina haka azy.