Milaza sy mampahafantatra i ibn A'bbas (R.D) : fa Nampidinina tamin'ny Irakan' i Tompo Allah ny faminanina rehefa Izy feno Efa-polo Taona, ary monina tao Lameka nandritra ny Telo ambin’ny folo Taona taorian’ny faminaniana, avy eo dia nasaina nifindra monina tany Madina Izy ary nitoetra tao nandritra ny folo Taona, ary avy eo dia maty Izy rehefa feno Telo amby Enimpolo Taona.