Nanome ohatra ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ireo izay manaja hatrany ny fefin'Allah, izay mifikitra amin'ny didin'Allah, mamporisika amin'ny tsara sy mandrara amin'ny ratsy, Ary ny ohatry ny olona izay latsaka ao anatin'ny fefin'Allah izay tsy miraharaha ny fanaovan-tsoa fa manao ny ratsy, ary ny fiantraikan'izany eo amin'ny fanavotana ny fiaraha-monina, dia toy ny ohatry ny olona izay niondrana an-tsambo, ary izy ireo nanao antsapaka ny amin’izay hipetraka any ambony amin'ny sambo sy izay hipetraka aty ambany, ka ny sasany tamin’izy ireo no nahazo ny ambony ary ny sasany teo ambany, ary raha te-hantsaka rano ny eny ambany, dia tsy maintsy niampita amin'ny zareo any ambony, dia hoy ireo teo ambany : Raha nandavaka eo amin'ny fitoeran-tsika isika mba hahazoana rano no sady tsy hanelingelina izay any ambonin-tsika, ka raha navelan'ireo ambony hanao izany izy ireo, dia ho rendrika ny sambo ary rendrika daholo izy rehetra, ary raha nandrara sy nanakana azy ireo, dia ho voavonjy daholo ny vondrona roa.