explain-icon

exp

Mandidy ny olona hanamaivana sy hanamora ny raharaha rehetra momba ny finoana sy ny fiainana eto an-tany i Mpaminany (S.A.W), Saingy ao anatin’ny fetran’izay ekan’Allah sy ny lalàna. Ary nampirisika azy ireo hitory ny vaovao mahafaly izy Mpaminany (S.A.W), fa tsy hampandositra azy ireo amin’izany.

explain-icon

fawaed

  • Ny andraikitry ny mino dia ny hahatonga ny olona ho tia an’Allah sy manentana azy ireo hanao ny tsara.
  • Tokony ataon'ireo mpiantso amin'ny fahamarina ho any amin'i Allah ny mijery amim-pahendrena ny fomba mahomby ho fampitana ny antson'ny finoana Islam ho any amin'ny olona.
  • Ny fitoriana ny vaovao tsara dia miteraka fifalina sy fahalianana ary fahatonina ho an’ny mpitory sy ny zavatra atolony ho an’ny olona.
  • Ny fankasarotanana dia miteraka fankahalana, fanalavirana ary fisalasalana momba ny tenin'ny mpitoriteny.
  • Ny haben’ny famindram-pon’Allah amin’ireo mpanompony sy ny fifaliany nanome azy ireo finoana mahafinaritra ary lalàna maivana sy mora.
  • Ny fanamorana izay vodidy amintsika, izany no nentin'ny lalàna islamika (Sharia).
explain-icon

cats

explain-icon

more