Ny Mpaminany (saw), dia mitantara mahakasika ny Tompony fa raha misy mpanompo manao fahotana ka manao hoe: Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy Allah Tsitoha: Ny mpanompoko dia manota, ary izy fantany fa manana Tompo mamela heloka, ka dia manarona izany izy ka tsy mamafa izany, na manasazy azy, dia namela azy Aho. Ka niverina nanota ka manao hoe: Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy Allah Tsitoha: Ny mpanompoko dia manota, ary izy fantany fa manana Tompo mamela heloka, ka dia manarona izany izy ka tsy mamafa izany, na manasazy azy, dia namela n'y heloka ny mpanompoko Aho. Ka niverina nanota ka manao hoe: Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy Allah Tsitoha: Ny mpanompoko dia manota, ary izy fantany fa manana Tompo mamela heloka, ka dia manarona izany izy ka tsy mamafa izany, na manasazy azy, dia namela n'y heloka ny mpanompoko Aho. Avelako izy hanao izay tiany, raha mbola manao ota isaky ny miala amin'ny fahotana izy, manenina, ary manapa-kevitra ny tsy hanao izany intsony, fa ny tenany no mandresy azy ka latsaka amin'ny fahotana indray izao, dia manota izy ka mibebaka, dia havelako ny helony, fa ny fibebahana dia mandrava izay teo alohany.