Niangavy tamin'ny Mpaminany (S.W.A) ny iray tamin’ireo Mpanaradiany mba hitari-dàlana azy amin’ny zavatra mahasoa azy, ka nodidiany izy mba tsy ho tezitra, izany hoe : hialana amin’ny antony rehetra mety mahatonga izany hatezerana izany sy ireo zavatra mety mampahatezitra Azy, ary tokony mifehy tena mafy raha tena tezitra, ka tsy tokony manohy ny fahatezerany amin'ny famonoana na daroka, na ny fanozonana, na izay mitovy amin'izany. Naverimberin'ilay rangahy im-betsaka ny fangatahany, saingy tsy nanampy tamin'ny sosokevitra i Mpaminany (S.W.A) fa mbola ilay teny hoe : “Aza tezitra” ihany no nolazainy taminy hatrany.