Nandidy ny vahoakany i Mpaminany (saw) mba hanalavitra tanteraka ireo heloka sy ny fahotana fito izay voalaza fa maharendrika, ary rehefa nanontaniana momban'izany Izy amin'ilay teny hoe : Inona moa izany ? dia nohazavainy toy izao izany : Voalohany dia : Ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa, amin’ny alàlan’ny fampitoviana Azy sy fampitovian-jo Aminy, na amin’ny endriny inona izany, ary amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana rehetra amin’ny zavatra hafa an-koatra an’i Tompo Allah, ary nanomboka tamin’ny fanompoan-tsampy ny vali_teniny, Satria io no tena fahotana lehibe indrindra. Faha-roa dia : Ny filalaovana Aody ratsy - io dia entina ilazana ny fatotra, ny Aody, ny famosavina ary ny fitsofana fanafody - izay misy fiantraikany amin'ny vatan'ilay Olona voan'ny famosaviana amin'ny alàlan'ny fahafatesana na aretina, na fisarahan'ny mpivady, izy io dia asan'ny satana, ary maro amin'izany dia tsy ho tanteraka raha tsy amin'ny alàlan'ny fanompoan-tsampy sy ny fanatonana ireo fanahy ratsy amin'ny zavatra izay tiany ho atao na tiany ho tanterahana. Fahatelo : Famonoana ny Olona izay noraran’i Tompo Allah fa tsy tokony ho vonoina afa-tsy amin’ny fanamarinana ara-dalàna izay apetrakin'ny Mpitsara. Faha-efatra : Ny fandraisana ny zana-bola amin’ny alàlan'ny fihinanana na fampiasana azy mba ahazahoana ireo tombontsoa hafa. Faha-dimy dia : Ny fisolokina ny harenan’ny Zaza izay maty ny Rainy fony izy mbola tsy ampy taona ka lasa antsoina Zaza kamboty ilay Zaza. Faha-enina : Fandosirana ny ady manoloana ireo tsy mpino. Faha-fito dia : Ny fiampangana tsy amin'ny rariny ireo vehivavy madio ho mpijangajanga, tahak'izany ihany koa ny fiampangana ireo lehilahy manoloana an'izany.