Nisy antokon'olona tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W), ka rehefa tonga teo aminy izy ireo, dia nilaza - nidera sy nadoka azy - tamin'ny teny sasany izay tsy tiany. Hoy izy ireo: “Ianao no lehibenay.” Dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) tamin'izy ireo : "Ny lehibe indrindra dia I Allah". Manana ny fiandrianany sy fahefana tanteraka amin’ny zavaboariny Izy ary mpanompony avokoa izy ireo. Hoy izy ireo: “Ianao no tsara indrindra aminay amin’ny hatsaran-toetra” ary ambony indrindra amin’ny laharana sy ny haja ary ny voninahitra. Ianao no “ be harena indrindra amintsika”, ary malala-tanana indrindra, ary ambony indrindra ary be voninahitra indrindra. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nanoro hevitra azy ireo mba hiteny amin'ny fiteniny mahazatra fa tsy amin'ny teny manjavozavo, ka mba tsy hitarihan'i Satana azy ireo amin'ny fihoaram-pefy sy ny fandokafana izay hahalatsaka azy ireo ao amin'ny fanompoan-tsampy voarara sy ny làlana mitondra makany amin'izany.