Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia hisafidy Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra amin'ny Andro farany Andron'ny fitsanganana amin'ny maty, ka antsoina ary ho tsaraina, dia aseho azy sivy amin'ny sivifolo takelaka ka izany no pejin'ny asa ratsy izay nataony teto ambonin'ny tany, Ny halavan'ny rakitsoratra tsirairay dia lavitra araka izay hitan'ny maso. Avy eo Miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha amin'izany Olona izany ka hanao hoe : Lavinao ve izay rehetra voarakitra ato amin'ireto rakitsoratra ireto ? Nanambaka Anao ve ireo Anjeliko izay mpandray an-tsoratra ? Ka hamaly ilay Olona fa hoe : Tsia ry Tompo. Dia miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha ka hanao hoe : Manana fialan-tsiny mazava ve Ianao amin'ireo zavatra rehetra natolotrao tamin'ireo asa rehetra izay nivitanao teny ambonin'ny tany ? Ohatra toy ny fanadinoana sy ny fahadisoana na koa noho ny tsy fahalalana. Hamaly ilay Lehilahy ka Niteny hoe : Tsia ry Tompo, tsy manana fialan-tsiny ami'izany rehetra izany Aho. Dia miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha, Marina tokoa fa manana asa soa iray Ianao aty Aminay, ary tsy misy fanambakana hahazo Anao Androany. Nilaza Izy hoe : havoaka eo anatrehany ilay karatra misy soratra hoe : Mijoro vavolom-belona Aho fa tsy misy Tompo afatsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolom-belona Aho fa i Mouhammadi (S.W.A) dia mpanompony no sady Irany. Dia miteny i Tompo Allah manao hoe : Ho an'ity Lehilahy ity, ento ny Mizananao. Gaga ilay Lehilahy ka Niteny nanao hoe : Tompo ô ! Inona ny lanjan'ity karatra ity manoloana ireto rakitsoratra ireto ? ! Mamaly i Tompo Allah fa hoe : Tsy misy fanambakana mahazo Anao Androany. Nilaza Izy : ka apetraka izany rakitsoratra maro izany amin'ny ilan'ny Mizana, ary ilay karatra amin'ny ilany; Noho izany dia nihanamaivana ny ilan'ny mizana misy ny rakitsoratra, ary nihozongozona sy navesatra ny ilan'ny mizana misy ny karatra, ka namela azy i Tompo Allah.