Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony, sy ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah, ary ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo mpanompony dia ny fanompoana Azy irery ihany ka tsy hatambatra amin'ny zavatra hafa, Ary tena marina fa ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy ny fanasaziany ireo mpanokana Azy amin'ny fanompoana ary tsy mba manambatra Izy amin'ny zavatra hafa. Avy eo Mouaz Niloam-bava ka Niteny ny hoe : O ! Ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah moa va tsy holazaiko amin'Olona rehetra izany mba hifalian'izy ireo amin'izany fahasoavana lehibe sy goavana izany ? Ka nosakana'ny Mpaminany (S.W.A) izy mba tsy hianki-doha ny amin'izany