Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitohizan’ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny alàlan’ny fahotana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanambakana ny olona amin’ny zon’izy ireo. Tompo Allah ilay Tsitoha dia manome fotoana ho an’ny mpanao ratsy, mampitarazoka azy, ary manalava ny androm-piainany sy ny fananany, ka tsy manafaingana ny famaizana azy. Raha tsy mibebaka ialy mpanao ny tsy rariny, dia hosazin'i Allah ary tsy havelany intsony noho ny tsy rariny nataony. Avy eo izy miteny hoe : (Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny) [hòd :102]".