I Mpaminany (S.A.W) dia mandrara ny fihoaram-pefy sy fampitomboana ny fetra ara-dalàna amin'ny fiderana azy sy ny famaritana azy amin'ny famaritana nataon'I Allah Tsitoha azy, toy ny hoe mahafantatra ny tsy hita maso izy, na mahay zavatra hafa miaraka amin'I Allah, toy ny ny Kristiana dia nanao an'izany amin'i Jesosy zanak'i Maria (A.S). Avy eo dia nambarany mazava tsara fa iray amin'ireo mpanompon’I Allah izy, ary nandidy ny hilazanay momba azy hoe : Mpanompon’I Allah sy iraka avy Aminy.