Nilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa efa manakaiky tokoa ny fotoana farany misy andian'Olona, ny iray mipetraka ary ny iray matoritory eo am-pandrinany, tonga Aminy ny petra-bolana avy amin'ny Mpaminany (S.W.A) ka hilaza Izy hoe ny mampisaraka atsika amin'ny zavatra iray dia ity Bokin'i Tompo Allah Satria izany dia mahampy Atsika, ka izay hitantsika fa Halayl dia hataontsika, ary izay hitantsika hoe Haramo ao anatiny dia hankalavirintsika. Avy eo nazavain'ny Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra izay nofadiny na koa norarany amin'ny fomba amam-panaony dia mitovy tantana amin'ny fandrarana izay nataon'i Tompo Allah ao amin'ny Bokiny, Satria izany dia azony avy amin'ny Tompony.