Nandidy atsika i Mpaminany (saw) mba hanampita ireo fahalalana rehetra momba azy avy ao amin'ny Boky masina Koroany na ny Sonnat na dia kely aza izany, na dia hoe aza andininy teny ao amin'ny Boky masina Koroany na ny avy ao amin'ny Hadisy, saingy ny fepetra takiana amin'izany kosa dia ny hoe : aoka mba hanànany fahalalana ny zavatra izay aparitany sy hiantsoany ny Olona. Avy eo niteny i Mpaminany (saw) hoe : Tsy maninona raha mitantara momba ireo Zanak’Isiraely ny zava-nitranga tamin'izy ireo amin’ny fomba tsy mifanohitra amin’ny lalànantsika. Avy eo izy dia nampitandrina ny lainga atao aminy, ary na iza na iza nandainga taminy, dia aoka izy hanamboatra toerana ho an'ny tenany ao amin'ny Afobe.