Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : karazan-javatra inona ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Nanonona karazan-javatra roa izy : Ny voalohany : Ny fanomezana sakafo betsaka ny mahantra, tafiditra ao anatin'izany ny fanampiana sy fanomezana ary fampiantranoana sy fanasam-be, ary tena tsara amin'ny fampisakafona dia amin’ny fotoan’ny mosary sy ny fiakaran'ny vidin'entana. Ny faharoa : Fiarahabana ny mpino silamo rehetra, na fantatrao na tsia.