Mampahafantatra i Mpaminany (S.W,A) fa ny afon'ny eto an-tany dia ampahany kely amin'ny fitopolo ao amin'ny Afobe. Ny afon’ny any ankoatra dia mafana Sivy amby Enimpolo avo heny noho ny hafanan’ny afon’ny eto an-tany, ka isaky ny ampahany dia mitovy amin’ny hafanan’ny eto an-tany. Teo dia nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ny afo eto an-tany efa mahampy amin'ny fanasazina ny Olona ao anatiny, Namaly Izy ka nanao hoe : Ny hafanan'ny Afobe dia mitombo avo heny amin'ny hafanan'ny afo eto an-tany eo amin'ny Sivy ambin'ny Enimpolo eo.