Manazava ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith Qodsì fa Allah Tsitoha nilaza tamin'ireo mpanompo sampy sy ireo mpikomy fa izy ireo dia mampandainga Azy sy milaza Azy ho manana fahabangana sy kilema, nefa tsy mendrika azy ireo ny hiteny izany. Fa ny fampandaingasana kosa ataon’izy ireo aminn’Allah :Dia ny fiheveran’izy ireo fa tsy hamerina azy ireo intsony Allah aorian’ny fahafatesany, tahaka ny namoronany azy ireo tamin’ny voalohany izay niainga avy tamin'ny tsy fisiana, ka namaly azy ireo I Allah fa Ilay namorona tamin’ny tsy fisiana dia afaka mamerina azy ireo, ary izany no mora kokoa aza , ary raha ny amin’Allah dia mitovy lenta aminy ny famoronana sy ny famerenana ny zavatra amin'ny laonany. Ary I Allah manana fahefana ny zava-drehetra. Ny amin’ny fanopan'izy ireo Azy : dia ny fitenenan’izy ireo hoe : manan-janakalahy Izy, ka novaliany fa Izy no tokana amin’ny fahafenoana rehetra amin’ireo Anarany, amin’ny Toetoetrany ary amin’ny Asany, tsy misy kilema sy tsy fahampina, Ilay irery hitoetra mandrakizay tsy mila na iza na iza, fa ny rehatra dia mila Azy, ary tsy mba rain’iza na iza Izy, ary tsy mba zanak’iza na iza, ary tsy nisy tahaka Ahy, na mitovy aminy, ny voninahitra ho Azy.