Niditra tao an-tranony ny Mpaminany (S.A.W) tao amin'i Aisha, ka hitany fa nosaronany lamba misy sarin'ny zavamananaina ny vata kely fitahirizan-javatra ka niova ny lokon’ny tarehiny noho ny hatezerana noho ny antony finoana ka nongotany izany dia niteny hoe : Ny olona hijaly indrindra amin’ny andro farany, dia ireo izay manamboatra zavatra mitovitovy endrika amin’ny zava-boarin’Allah. Hoy i Aisha : Ka nataonay ondana iray na roa izany.