Nankany Honayni ny irak'Allah (S.A.W), izay lohasaha manelanelana an'ny Taif sy Lameka, ary niaraka taminy ireo mpanaradiany izay vao niditra ny finoana islamo tsy ela. Nandalo teo amin’ny hazo iray antsoina hoe “Zat Anowat”, Izany hoe misy fanantonana, izay nampiasain’ireo mpanompo sampy ary nohamasinin'izy ireo ary nanantonan'izy ireo ny fitaovam-padiany sy ny zavatra hafa, hitadiavana fahasoavana. Koa nangataka tamin’ny Irak’Allah (S.A.W) izy ireo mba hanao hazo tahaka izany ho azy ireo, mba hanantonany ny fitaovam-pidiany ho fitadiavana fahasoavana, ary nihevitra izy ireo fa dia azo atao izany, Nidera an'Allah ny Mpaminany (S.A.W) ho fanamelohana izany fanambarana izany sy fanomezana voninahitra an’Allah, ary nilaza izy fa mitovy amin’izay nolazain’ny vahoakan’i Mosa (A.S) taminy io teny io, hoe : “Manaova tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo. ” Rehefa nahita ireo nanompo sampy izy ireo dia nangataka ny hanana sampy tahaka ireo mpanompo sampy manana ny sampiny, ary izany dia fanarahana ny lalan'izy ireo. Avy eo nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ity vahoaka ity dia hanaraka ny làlan'ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanao izay nataony, ho fampitandremana ny amin'izany.