Nanontaniana renin'ny mpino A'ishat (R.A) momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy amin'ny valinteny feno, ary namaly ilay mpanontany amin'ny Kor'any masina izay mamehy ny fahatsaran-toetra rehetra, niteny izy hoe : Ny toetrany dia ny Koroany masina, izay didy rehetra ao aminy dia notanterainy avokoa, ary izay rehetra noraran'ny Koroany dia nisitahany avokoa, ka ny toetrany dia ny fampiharana izany, ary mijoro amin'ny fetrany, ary mampihatra ny fahalalam-pomba rehetra ao anatiny Izy, ary maka lesona ihany koa amin'ireo ohatra sy ny tantara voarakitra ao.