Manazava i Abdillah bin Omar (R.A) : Isan'ireo vavaka sonna azony avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny rakà folo, ary ireo no antsoina hoe Sonnah ar-Raoàtib. Roa rakà alohan'ny soalat Zohr ary roa rakà aorian'izany. Ary roa rakà aorian’ny soalat maghrib any an-tranony. Ary roa rakà aorian’ny soalat Isha any an-tranony. Ary roa rakà alohan'ny Soalat fajr Dia feno tanteraka ny folo rakà. Fa amin'ny Soalat Zoma kosa dia manao roa rakà aoriany.