Nanazava ny ampahany amin'ireo lalàna momba ny fahadiovana ny Mpaminany (S.A.W), ao anatin'izany ny: Ny voalohany : Izay midio (ozò) dia tokony hampiditra rano kely amin’ny orony no sady sotominy, avy eo mamoaka izany no sady manisina azy. Ny faharoa : Izay tia hanadio ny maloto mivoaka aminy ka hanala izany amin'ny zavatra hafa ankoatra ny rano, toy ny vato sy izay rehetra mitovy aminy, dia tokony ho diovina amin'ny isa tokana , ka ny kely indrindra amin'izany dia telo ary ny habetsaka indrindra dia izay mahafaka ilay loto sy mampadio azy. Ny fahatelo : Izay mifoha amin’ny torimaso alina dia tsy tokony hampiditra ny felatànany ao anatin’ny siny rehefa hanao ozò raha tsy efa nanasa intelo ny tanany ivelan’ny siny, satria tsy fantany izay nisy ny tanany tamin'ny alina, ka tsy ho azony antoka ny fahadiovany, ary mety ho nilalaovin'ny Satana ny tanany ka nitondrany zavatra manimba ny olona na manimba ny rano.