Mampahafantatra i Mpaminany (saw), fa ny vavaka in-dimy isan'andro sy ny alina izay tsy maintsy atao, ny vavaka zoma isan-kerin'andro, ary ny fifadian-kanina amin'ny volana ramadany isan-taona, dia famafana ny fahotana madinika izay eo anelanelan'izy ireo , raha toa ka miala ireo fahotana lehibe. Raha ny amin’ny fahotana lehibe toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka, dia tsy voafafa izany raha tsy amin'ny fibebahana.