Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah rehefa nanamboatra ny Paradisa sy ny Afobe, Dia Niteny tamin'ny Anjely Jiboriol (AS) Izy ka nanao hoe : Mandeana Ianao ao amin'ny Paradisa ka jerevo avokoa ny ao anatiny, Nandeha nijery tao Izy avy eo niverina, Ka Niteny i Jiborilo nanao hoe : O ry Tompo, Mihaniana amin'ny Herinao Aho fa izay maheno izany sy izay fahasoavana ao anatiny ary ny Voninahitra sy ny hatsarana afa-tsy hoe mankatia ny hiditra ao Aminy avokoa, ary hanatanteraka ny asa noho izany. Avy eo dia nirakofan'i Tompo Allah ny Paradisa ary nofefeny ireo fahasahiranana sy fankasarotana amin'ny fanatanterana ny didy amambaikony sy ny fisitahana ireo zavatra rehetra izay voarara; fa ho an'izay mankatia ny hiditra ao dia tsy maintsy miaina amin'io fahasahiranana io. Avy eo Niteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha ka nanao hoe : O ry Jiboriol ! Mandehana mijery ny Paradisa, rehefa voahodidin’ny fahasahirana sy fankasarotana. Lasa Izy nijery tao, avy eo nilaza ka nanao hoe : O ry Tompo ! Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho matahotra Aho fa tsy misy hiditra ao na dia iray aza nohon'ny fahasahiranana sy ny fahasarotanan'izany làlana makany izany. Ary rehefa noharin'ny Tompo Allah ny Afobe, dia Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Jiborilo ! Mandehana jerevo ny ao anatiny, lasa Izy ka nijery tao anatiny. Avy eo tonga Izy ka Niteny i Jiborilo fa hoe : O ry Tompo ! Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho fa tsy misy Olona maheno ny ao anatiny amin'ireo sazy sy ny famaizana ary fahasarotanana, afa-tsy hoe hankahala ny fidirana amin'izany toerana izany ary ankalavitra tanteraka ireo antony mety hampiditra ny ao anatiny. Avy eo nirakofan'i Tompo Allah ny Afobe ary nataony ny làlana mankany dia ny fafinaretana sy ny fitiavana ny tsiron-javatra avy eo niteny Izy ka nanao hoe : O ry Jiborilo ! Madehana mijery ny ao anatiny. Lasa i Jiborilo (A.S) nijery ny tao anatiny, avy eo tonga Izy ka nilaza nanao hoe : O ry Tompo !, Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho, atahorako ary tsy hinoako fa tsy misy avotra amin'izany na dia iray aza; noho ireo zavatra manodidina azy amin'ireo fafinaretana sy ny fitiavan-javatra.