Nitantara tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny Renin'ny mpino Ommou Salama (R.A) fa tamin'izy tany amin'ny tanin'i Abyssinia, dia nahita fiangonana iray - antsoina hoe Maria - nisy sary sy haingo ary sary vongana, noho ny fahagagany amin'izany izy! Nanazava ny antony nametrahana ireo sary ireo ny Mpaminany (S.A.W); Ka niteny izy : Ireo olona lazainao ireo dia raha misy olona iray mendrika maty eo amin'izy ireo, dia hanorenan'izy ireo moske eo ambonin'ny fasany, hivavahana ary hanamboaran'izy ireny sary ireny. Nohazavainy fa izay manao izany dia zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah ilay Tsitoha. Satria ny fihetsika izany dia mitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy.