Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny : Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato". Sahih/Authentic. - Al-Bukhari
explain-icon

exp

Nanontaniana i Mpaminany (S.W.A) mahakasika ireny olona milaza fa mahalala ny zava-miafina hiseho amin'ny ho avy, dia namaly izy hoe : Aza variana amin'izy ireny ianareo, Ary aza raisina ny tenin'izy ireny, ary aza miasa loha momba azy ireny. Niteny ireo mpanontany manao hoe : ny tenin'izy ireny indraindray dia mifanaraka amin'ny zava-miseho, toy ny filazan'izy ireo fa hisy zavatra hitranga amin'ny volana izao sy andro izao dia tena mitranga tokoa araka ny voalazany. Namaly nilaza i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : Mandre ny vaovao avy any an-danitra ny jiny, dia midina manambara izany any amin’ny mpimasy namany, avy eo ilay mpimasy indray no nanampy lainga zato tamin’izay reny tany an-danitra.

explain-icon

fawaed

  • Voarara ny mino ireo mpimasya, ary lainga sy fitaka daholo ny zavatra lazainy, na dia marina aza izany indraindray.
  • Voaharo ny lanitra amin'ireo satana taorian'ny fandefasana an'ny Mpaminany (S.W.A) mba tsy hiaino ireo hafatra na ankoatra izany afa-tsy izay mangalatra mihaino ka naheno kely tamin'izany ary avotra tamin'ny tainkintana.
  • Ny Djiny dia maka sakaizany amin'ireo Olombelona.
explain-icon

cats

explain-icon

more