Mampitandrina i Mpaminany (S.AW) amin'ny fandehanana any amin'ny mpisikidy - izy io dia anarana ankapoben'ny mpisikidy, mpanandro, mpimasy, sy ny toy izany, izay milaza ny fahalalana ny tsy hita maso amin'ny alàlan'ny zavatra ampiasainy -, ary na dia ny fanontaniany fotsiny momba ny zavatra tsy hita dia hahatonga an'Allah hanaisotra azy amin'ny valisoan'ny vavaka nataony nandritra ny efapolo andro. Izany no saziny vokatr'io fahotana lehibe io.