Mampahafantatra i Mpaminany (saw) fa na iza na iza mianiana amin'ny hafa ankoatra ny anaran'I Allah sy ny toetoetrany dia tsy mino an'I Allah na nanompo sampy. Satria ny fianianana dia midika ho fanomezam-boninahitra an’izay mianiana amin’izany, nefa ho an’I Allah irery ihany ny fahalehibiazana. Tsy mianiana afa-tsy amin’I Allah sy ny Anarany ary ny Toetrany isika, Voninahitra ho Azy. Ary io fianianana eto dia tafiditra ho fanompoan-tsampy kely; fa raha nanome voninahitra be an'ilay zavatra nianianany kosa ilay mpianiana toy ny fanomezam-boninahitra an'I Allah na mihoatr'izany, dia tafiditra ao amin'ny fanompoan-tsampy lehibe izy.