Nampitandrina i Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitadiavana fahalalana noho ny fireharehana sy ny fisehosehoana amin’ireo manam-pahaizana, na ny hanehoana fa manam-pahaizana toa anareo aho, na entina miresaka sy miady hevitra amin’ireo bado sy malemy- saina, na koa hianarana mba hazoana toerana, omena laharam-pahamehana noho ny hafa. Fa izay manao izany dia; miendrika azy ny afobe noho ny fisehosehoany amin'ny asany ary tsy fisian'ny fahadiovam-po amin'ny fitadiavany ny fahalalana ho an'i Allah.