Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".
Sahih/Authentic. - Ibn Maajah

Nampitandrina i Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitadiavana fahalalana noho ny fireharehana sy ny fisehosehoana amin’ireo manam-pahaizana, na ny hanehoana fa manam-pahaizana toa anareo aho, na entina miresaka sy miady hevitra amin’ireo bado sy malemy- saina, na koa hianarana mba hazoana toerana, omena laharam-pahamehana noho ny hafa. Fa izay manao izany dia; miendrika azy ny afobe noho ny fisehosehoany amin'ny asany ary tsy fisian'ny fahadiovam-po amin'ny fitadiavany ny fahalalana ho an'i Allah.

  1. Fandrahonana amin'ny afobe ho an'izay mianatra fahalalana mba hirehareha momba izany, hiady hevitra momba izany, ary hahazo toerana tsara, sns.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fikasana marina sy fahadiovam-po ho an'ireo izay mianatra sy mampianatra fahalalana.
  3. Ny fikasana dia fototry ny asa ary amin'izany no hamaliana ny olona.

Successfully sent!