Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra dia efa voalahatra avokoa; Na dia ny tsy fahafana ary izany dia : famelana izay tsy maintsy atao sy ny fanatarana izany amin'ny fotoanany, mahakasika ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary hatramin'ny ezaka izany dia : fahavitrihana sy fahaiza-manao amin’ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary i Tompo Allah dia efa nandahatra ny tsy fahafahana sy ny fazotoana ary ny zavatra rehetra, tsy misy zavatra miseho eto amin'izao tontolo izao afa-tsy hoe efa voalahatra amin'ny fahalalan'i Tompo Allah avokoa ary efa sitrany ihany koa.