explain-icon

exp

Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa hanana dobo izy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary mitovy amin'izany ihany koa ny sakany. Fotsy noho ny ronono ny ranony. Manitra be ny fofony, tsara noho ny hanitry ny Misky. Ary ny zingany dia tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra noho ny hamaroany. Izay misotro amin'io dobo lehibe io amin'ny alàlan'ireo zinga ireo dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

explain-icon

fawaed

  • Ny dobon'ny Mpaminany (S.W.A) dia fitambaran'ny renirano lehibe izay hierenan'ireo Mpino amin'ny vahoakany amin'ny Andro fitsanganana.
  • Fahazahoana fahasoavana lehibe ho an'izay misotro amin'ny dobo ka tsy hangetaheta intsony mandrakizay.
explain-icon

cats

explain-icon

more