Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay eo amin'ny fiaraha-monina dia samy manana andraikitra izay tsy maintsy hiandraiketany sy hiantsorohany. Ny mpitarika sy ny mpitondra no tompon'andraikitra amin'ny zavatra nankinin’Allah taminy, tsy maintsy miaro ny lalàn’izy ireo, miaro azy ireo amin'ny mpanao tsy rariny aminy, miady amin’ny fahavalony, ary tsy manary ny zon'izy ireo. Ny lehilahy ao amin’ny ankohonany dia voadidy hanome izay ilain’izy ireo, hitondra tsara azy ireo, hampianatra azy ireo ary hanitsy azy ireo. Ny vehivavy ao an-tranon’ny vadiny dia tompon'andraikitra amin'ny fitantanana mendrika ny tranony sy ny fitaizana ny zanany, ary izy no hohanontaniana amin’izany. Ny andevo sy ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny eo amin'ny fiarovany ny harena eo an-tanany, sy ny fikarakarany azy, ary izy dia ho hanontaniana amin'izany. Samy tompon'andraikitra amin'izay nankinina taminy ny tsirairay, ary samy ho hanontaniana amin’ny andraikiny avy.