Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny tonombavaka fahatsiarovana an'Andriamanitra amin'ireto teny lehibe ireto dia tsara lavitra noho izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, ary ireto manaraka ireto izany : " Soubhànallàhi": Fanandratana sy fankalavirana Tompo Allah amin'ny tsy fahampina. " Alhamdo Lillàhy " : dera noho ny toetrany tonga lafatra miaraka amin’ny fitiavana sy ny fanomezam-boninahitra Azy. "Là ilàha illal-Loàhou" : Tsy misy Tompo mendrika Tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah. " Allah Akbaro " : izay midika hoe : “Lehibe Andriamanitra”: lehibe sy ambony noho ny zavatra rehetra.