Manoro làlana ireo vahoakany i Mpaminany (S.A.W), amin'ny fitadiavana fiaraovana sy fialofana mahasoa izay hahatonga ny olona rehetra tsy hatahotra rehefa mipetraka amin'ny toerana iray, na eo am-pandehana na any ami'ny fitsangatsanganana, na hafa ankoatr'izay : Mba hitady fiarovana sy fialofana amin'ny tenin'Allah izay feno fahasoavany sy ny fitahiana ary ny tombontsoany, tsy misy kilema sy ny tsy fahampiana amin'ny haratsian'ny zavaboary rehetra, dia ho voaro amin’ny zava-dratsy rehetra raha mbola mijanona amin'io toerana misy azy io.