Manambara i Mpaminany (S.W.A) hoe : izay Tian'i Allah hahazo fahasoavana dia omeny fahalalana sy fomba rehetra mety hazahoana ny fahalalana momba ny finoany, ary Izy (S.W.A) no Mpizara amin'ireo rehetra nomen'i Allah azy amin'ny anjara masoandro sy fivelomana ary ny fahalalana rehetra ankoatr'izany. Ary ny tena Mpanome dia Andriamanitra, ary ho an'ny hafa dia fitaovana fotsiny ka tsy mahasoa raha tsy sitrak'i Allah, ary tsy hitsahatra hiorina amin'ny didin'Allah ity vahoaka ity, ary izay manohitra azy dia tsy mahavita manisy ratsy azy, mandra-pahatongan'ny andro farany.