explain-icon

exp

Manazava ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.

explain-icon

fawaed

  • Fanazavana momba ny fahasoavan’Allah amin’ireo mpino mpanompony sy ny famindram-pony amin’izy ireo amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan'ireo loza faran’izay kely manjo azy ireo.
  • Ny mpino silamo dia tokony hanantena valisoa avy amin'I Allah amin'izay mahazo azy, ary hanam-paharetana amin'ny zavatra kely sy lehibe rehetra, mba hahazoany fisondrotana eo amin'ny toerany sy ny famafana ny ota.
explain-icon

cats

explain-icon

more