Rehefa te-handro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia niatomboka tamin'ny fanasana tanany roa. Avy eo dia manao ozò izy toy ny ozò fatao amin'ny soalat, avy eo manondraka rano amin'ny vatany, avy eo manavasava ny volon-dohany mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volo ny rano ary lena ny hodi-dohany, avy eo nandraraka rano tamin’ny lohany in-telo ary nanasa ny sisa tamin'ny vatany. Ary niteny i Aicha (R.A) : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) mandro ao anaty koveta iray ary samy manovo rano ao aminy.