Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A), fa i Jibril dia namerimberina taminy sy nandidy azy mba hikarakara ny mpiara-monina aminy, izay akaiky ny tranony, na silamo na tsy mpino, havana na tsia, miaro ny zony ary tsy manisy ratsy azy, manao soa azy ary miharitra amin'izay ratsy ataony, ka nihevitra i Mpaminany (S.A.W) noho ny halebeazan'ny zon'ny mpifenolobodirindrina sy ny famerimberenana azy fa hidina aminy fanambarana amin'ny fanomezana harenany ho lovainy.