Mitantara i Ibn Abbas (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tamin'ny andro fanaovana sorona ny marain'ny nitoraham-bato an'i Jamarat al-Akaba nandritra ny Hajj fanaovam-beloma. Koa nasainy nanangona vatokely ho azy izy, ka nanangona vatokely fito ho azy, izay mitovy habe amin’ny voanjo na voa kely ny iray amin'izy ireo, dia napetrany teo amin'ny tànany ary nahetsiketsiny, dia niteny izy avy eo hoe : Mitovy habe amin'ireto no hitorahanareo, Avy eo dia nampitandrina mafy ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fihoaram-pefy sy ny fanenjanana loatra ary ny fanitarana loatra amin’ny resaka finoana, satria ny vahoaka teo aloha dia rendrika tamin’ny alàlan’ny fihoaram-pefy sy ny fihizingizinana diso tafahoatra teo amin’ny lafiny finoana.