Nisy lehilahy iray nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) mahakasika zavatra roa : izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa, sy izay zavatra mandidy ny fidirana amin'ny Afobe ? Dia namaly izy (S.W.A) : Fa ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa dia ny fahafatesan'Olona iray manompo an'i Tompo Allah tokana ka tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, Ary ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Afobe dia ny fahafaatesan'Olona iray nanakambana an'i Tompo Allah ka nataon'i Tompo Allah manana mpifaninana sy tahaka Azy amin'ny maha Zanahary Azy na koa amin'ny maha-Tompo Azy na koa amin'ireo anarany sy ireo lazany.