Niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanaradiany, indray alina ka nijery ny volana - ny alin'ny fahefatra ambin'ny folo - ary niteny manao hoe : Ny mpino dia hahita ny Tompony amin’ny maso mivantana tsy misy fisalasalana, ary tsy hifanjevo izy ireo ary tsy hahatsapa harerahana na fahasahiranana rehefa mahita Azy. Avy eo niteny Ilay Irak'I Allah (S.A.W) hoe : Raha vitanareo ny manapaka ireo antony mampivily ny sainao amin'ny fanaovana ny swalat maraina sy ny tolakandro, dia ataovy izany ary tanteraho amin'ny fotoana mahamety azy ao anaty vondrona (jammah), fa izany no iray amin'ireo antony hijerena ny tareh'ny tompo Allah Ilay Tsitoha. Avy eo namaky ilay andininy masina ny Mpaminany (S.A.W) : {ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan'ny fiposahan'ny masoandro sy alohan'ny filentehany}.