Manambara atsika i Mpaminany (saw) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, Izy dia mahaleo tena amin'ny zava-drehetra, ary raha manao asa fanompoana ny Olombelona iray ka nataony ho an'i Tompo Allah sy ankoatrany ihany koa; dia havelan'i Tompo Allah izany asa izany ary tsy ho raisiny mihitsy ny zavatra nataony, ary averiny any amin'ny tompony ilay asa. Ka tsy maintsy atao am_po madio ho an'ny Tompo Allah ny asa, satria Izy Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia tsy mandray no sady tsy manaiky afa-tsy izay natao ho Azy irery ihany.