Nazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'I Allah, afa-tsy izay manambara ny fahotana amin'ny fomba feno fieboeboana sy avonavona ka tsy mendrika ny famelan-keloka. Satria nanao fahotana tamin'ny alina izy ka nosaronan'I Allah, fa rehefa tonga ny maraina, dia nilaza tamin'ny olona izy fa nanao fahotana toy izao sy izao omaly, nefa efa nosaronan'ny Tompony tamin'ny alina, saingy noesoriny ny fanaronan'IAllah azy nony tonga ny maraina!!