Miteny i Abdollah bin Khobayb (R.A) hoe : Nivoaka tamin'ny alina avy orana be sy maizina izy ireo hitady ny irak'Allah mba hitarika azy ireo hivavaka, ka hitan'izy ireo Izy. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : “Mitenena”, midika hoe vakio, nefa tsy namaky na inona na inona izy. Naverin'ny Mpaminany (S.A.W) taminy ny teniny, dia hoy i Abdollah : Inona no tokony hovakiko ry Irak'Allah? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Vakio ny Sorate Al-Ikhlas {Qol-Howallaho Ahad, izay midika hoe - Teneno : Izy no Allah tokana} sy ny Soura roa : {Qol Ao'zo birabbil Falaq, izay midika hoe : - Teneno : Mitady fiarovana amin'ny Tompon'ny maraina vao mangiran-dratsy aho}, ary {Qol Ao'zo birabbin nàsi, izay midika hoe : Teneno : Mitady fiarovana amin'ny Tompon'ny olombelona aho}, intelo amin'ny hariva sy maraina, mba hiaro anao amin'ny ratsy rehetra sy hiaro anao amin'ny fahorina rehetra.